Tsaratanàna : Mitady vahaolana amin’ny firongatry ny kidnapping ny préfet
Anisan’ny azo lazaina ho tafiditra ao anatin’ny faritra mena ny any amin’ilany atsimon’ny disitrikan’i Tsaratanàna, ato anatin’ny faritra Betsiboka an-kehitriny makasika ny firongatry ny trangana « kidnapping, » izay nahazo vahana nandritra ny 26 Desambra taona 2024 lasa teo iny sy ny volana Febroary taona 2025 makaty. Nohon’izany dia tonga nidinika ho fikatsaham-bahaolna, amin’ny ady atao amin’ny tsy fandriam-pahalelmana miseho, tao amin’ny kaominina ambanivohitra...