Toamasina renivohitra : Tovolahy 12 mpifoka sy mpivarotra rongony voasambotry ny polisy
Ny talata hariva tokony tamin’ny 4 ora teo no voasambotry ny polisy ireo tanora sady mpifoka no mpivarotra rongony eny amoron-dranomasina eto Toamasina renivohitra. Araka ny fanazavana azo avy amin’ny polisim-pirenena Toamasina dia mbola misy latsaky ny 17 taona ireto tanora mpifoka sy mpivarotra rongony ireto, nefa moa efa nilaza ny talen’ny filaminam-bahoaka Atsinanana, Rakotovao Jean Christian, fa tsy azo ekena ny fidorohana ireo zava-mahadomelona ireo noho izy ireo mitarika amin’ny...