Toamasina : « Rehefa jiolahy dia jiolahy fa tsy arovana »
Ireo basy hita teny amin’ireo roalahy lavon’ny polisy. Lehilahy roa no maty voatifitry ny polisy avy ao amin’ny FIP Toamasina rehefa nandeha ny fanadihadiana taorian’ny fitifirana polisy sy ny ankohonoany tao an-tranony, tao Andranomadio. Tsaroan’ny maro izany na dia efa tamin’ny 20 febroary aza, satria efa tafahoatra ny ataon’ny jiolahy ao an-toerana ary sahiny hatramin’ny manafika mpitandro ny filaminana. Maty voatifitra ny jiolahy roa antsoina hoe Rico sy Tony rehefa...