Toamasina : Fivarotana roa nesesin’ireo jiolahy notafihana
Henjana no nanjo ireto fivarotana (épicerie) roa ireto tao Tsarahonenana ny maraina ny alatsinainy teo tokony tamin’ny iray ora maraina sy sasany tany ho any. Ny tranga voalohany dia jiolahy efa-dahy nanafika fivarotana, ka raha vao tafiditra izy ireo dia rangahy iray tao an-trano nofirain’izy ireo ny antsy, ka naratra tamin’ny lohany sy ny tananany ilay rangahy. Mbola nodarohan’ireto jiolahy tamin’ny vato koa ny tratrany, ka teo dia savolaina ilay rangahy ka nalain’izy ireo...