Toamasina : Faty nafenina tao anaty fanaka
Novonoiny ho faty ny vady andefimandriny ary nafeniny tao anaty « armoire » ny razana. Izany ny heloka bevava izay nitranga tany amin’ny fokontanin’Ambalakisoa, eo anivon’ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina. Notateriny tamin’ny saretikely izany avy eo mba hanaronana ny vonoan’olona nataony. Toa ireny miasa mitatitra entana ireny angamba ny tao an-tsainy. Saingy nanintona ny olona hatrany izany satria nisy marika hafahafa izay nisintona ny sain’ireo nahita. Nosamborin’ny...