Soavinandriana Itasy : Lehilahy voalaza fa nangalatra mangahazo, maty novonoin’ny tompony
Ilay lehilahy niniana novonoina fa hoe tratra nangalatra. Nodarodarohana sy novelesina kibay ary tsy namelan’ilay namono raha tsy tapitra teo noho eo ihany ainy. Tranga mahatsiravina niseho tao amin’ny tanana iray antsoina hoe Ambatolampy ao amin’ny kaominina Amberomanga, 50 kilaometatra miala ny tampon-tananan’i Soavinandriana Itasy iny. Omaly maraina no tonga nametraka fitoriana tany amin’ny biraon’ny kaomisaria tao Soavinandriana ny fianakavian’ny maty. Nandray an-tanana...