Soavinandriana Itasy : Dahalo raindahiny amin’ny halatra omby, maty voatifitra
Efa voasambotra mora foana saingy nanita-kevitra ny hitsoaka ny iray tamin’ireo dahalo rain-dahiny, voarohirohy tamin’ny resaka halatra omby ireto. Voatery nampiasa basy ireo mpitandro filaminana, rehefa tsy nety nijanona tamin’ny fampitandremana izy. Voatifitra ary maty. Somary hafakely ny tetik’adin’ireto dahalo roa lahy, avy nangalatra omby tao amin’ny tanànan’Ambohimarina, ao amin’ny kaominina Antanetibe, any amin’iny distrikan’i Soavinandriana Itasy iny. Novonoiny...