Soamandroso-Maevatanàna : Lehilahy iray no maty tsy tra-drano vokatry ny fihotsahan’ny tany
Hataraina ny an’ireo fokonolona tany amin’ny manodidina ny tanàna atao hoe Soamandroso, any amin’ny kaominina ambanivohitra Antanimbary, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, ny herinandro lasa teo iny, raha naheno ny loza niseho tamin’ilay lehilahy nihotsahan’ny tany, tao anaty vavam-patana fitrandrahana volamena. Raha ny fitantaran’ireo olona nanatri-maso ny zava-nitranga, makasika an’ilay loza niseho tamin’ny tobim-bolamena, izay manamorona ny tanàna voalaza etsy...