RN4 : Mpiasan’ny BNGRC tsy hita, nisy naka an-keriny
Omaly maraina izy no nisy nahita ary efa tena reraka tanteraka. Tsy iza izany fa Razafiharimanana Jeremia izay tsy hita efa ho 15 andro lasa izay. Nisy nahita izy ary naterin’ny olona teny amin’ny fokontany tao Antsiafabositra. Ny tompon’andraikitra tao indray no nanolotra azy tamin’ny zandarimaria tao an-toerana ihany. Raha araka ny fanazavana hatreto dia nisy naka an-keriny izy. Ny toerana maro nitondràna azy kosa dia tsy nisy tadidiny satria mifindrafindra hatrany. Tao...