Noheverina ho varira : Zazavavy kely notapahin-doha ary nendahina ny masony
Habibiana tsy roa aman-tany ! Lohan-javavikely, manodidina ny efa-taona any ho any, efa tsy misy maso sy lela intsony ho hitan’ny fokonolona, ny faran’ny herinandro teo, tao Camp Robin. Fantatra avy hatrany moa fa ilay zaza nisy naka an-keriny tao amin’ny tokantrano iray tany an-toerana ity sisam-batana mangatsiaka hita ity. Ny andron’ny valo martsa lasa teo, raha ny fampitam-baovao azo no nitrangan’ny fanafihana ny tokantrano iray tao an-toerana. Noratrain’ireo olon-dratsy ny...