Morondava : Tokantrano folo tafo, levon’ny afo
Fandrahoana hanin-kisoa nitera-doza ! Omaly, tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro tany ho any, nijoajoala ny lelafo, nanaka-danitra. Nijolofotra ny setroka mainty, nanamaloka tsy fidiny ny lanitra tao an-tampon-tanan’i Morondava. Haintrano mahatsiravina no niseho tao an-toerana, tao amin’ny kartié-n’Ampasimompera. Nisahotaka tanteraka ny olona izay samy niezaka nanao izay ho afany tamin’ny famonoana ny afo sy famonjena ireo entana, kanefa tsy mitsahatra mirehitra mandevona tsirairay...