Morondava Antehiroka : Lehilahy novonoina ary navalana rano
Tokony ho efa roa andro teo ho eo no efa nahafatesany. Ny tolakandron’ny zoma lasa teo, hatairana ny an’ireo monina tao Andramiarana, fokontany Morondava Antehiroka raha nahita ity faty olona natsingevan’ny vavaranon’Ikopa. Nantsoina avy hatrany ny zandary ary nidina teny an-toerana niaraka tamin’ny mpitsabo. Tamin’ny fitsirahana ny razana no nilazan’ny tompon’andraikitra fa efa somary elaela ity farany no namoy ny ainy saingy natsingevan’ny rano teny foana. Tetsy...