Miami Toamasina : Hampiranty voka-pikarohana maro
Fatana mandeha amin’ny ampombo matevina, masomboly voatabia iray sy zezika 200 Ar dia tsy mividy voatabia intsony ny isan-tokantrano fa afaka mamboly eny andavarangany avy, fampianarana ny kolontsaina japoney Kaizen izay nampandroso firenena maro tany ivelany. Isan’ny hisongadina ireo, ankoatra izay tsy voatanisa, mandritra ny hetsika « Alavoly 2025 » izay hotontosaina ao Miami Toamasina ny 20-23 aogositra. Famolavolana ny olona mba hanana toe-tsaina miray hina hiara-mandresy ny...