Menaka hosoka tratra tao Tanambao I : Misy akom-baovao hafa voarain’ny mpanao gazety…
Nanaitra ny maro ny serasera nataon’ny orinasa Hita momba ilay menaka hosoka tratran’ny zandary tao Tanambao I efatrandro lasa izay. Vokatr’izany dia nahazo vaovao hafa indray ny mpanao gazety taorian’ izany, noho ny zavatra nisy nandritra izany. Efa tany amin’ny volana novambra 2023 tany ho any no nividianana ny menaka teny amin’ny orinasa Hita, sy nisy ny faktiora ara-dalana nivoaka nandritra izany. Saingy ny 14 novambra io ihany no nitrangana haitrano goavana tao amin’ny...