Matsiatra ambony : Dahalo maty voatifitry ny pôlisy
Dia miampy iray indray ireo olon-dratsy nihazo ny varo-tsy mifody, tany amin’iny faritra Matsiatra Ambony iny. Araka ny angom-baovao azo avy amin’ny pôlisy dia jiolahy iray no maty voatifitr’izy ireo ny andron’ny talata lasa teo, tao Beraketa Centre. Amin’izao fotoana izao tokoa dia miezaka ihany koa ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena manaparitaka ireo olombelony, avy eo anivon’ny Hery vonjitaitra, na ny FIP any amin’ireo faritra rehetra voalaza fa mafàna eto amintsika,...