Mahajanga : Nosamborina fa namboly rongony an-trano
Nokolokoloina toy ireny voninkazo ireny mihitsy ireo zava-mahadomelina. Natsofoka anatin’ny fitoerany tsara tarehy ary dia nitsimoka tsara tokoa ireo rongony tsara karakara. Tovolahy iray, 31 taona, izay monina ao Tsararano-Mahajanga no tompon’antoka tamin’ity fambolena hafakely ity. Tonga teny am-potontsofin’ny polisy ihany anefa ny zava-misy. Nahazo alàlana avy amin’ny fampanoavana izy ireo hanatontosa ny fisavàna trano. Inona tokoa fa rongony anaty fitoeram-boninkazo izay miisa...