Madriomirafy-Maevatanàna : Dahalo miisa 16 nandrava omby 113
Nirefodrefotra tahakan’ny afomanga ny basy napoakan’ireo dahalo miisa 16 lahy nanao fandravana tanàna ny folakandrony 29 Desambra 2023 lasa teo iny. Tany amin’ny toerana antsoina hoe: Ankara, fokontany sy kaominina Madiromirafy, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna no nisehoan’ny fanafihana sy fangalarana omby miisa 113 tao am-bala, ka tsy nasahy nihetsika ny mponina tany an-toerana nanoloana ny feom-basy nanakohako eran’ny tanàna nandritra izany. Efa ho antsasakadiny taty...