Kaominina Tsararano : Zazalahikely telo taona no maty tsy nahy teny amin’ny reniranon’i Bonakely
Ny andron’ny 29 Oktobra taona 2024 lasa teo iny, tokony tamin’ny telo ora tolakandro no nampandre ny lehiben’ny fokontany ao amin’ny tanànan’Antsapanana, kaominina ambanivohitra Tsararano, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna ny olona sendra nahita ny fatin’ilay zazalahikely telo taona, fantatra amin’ny anarana hoe: Feno. Izay maty tsy nahy teny amin’ny reniranon’i Bonakely. Ny fampitam-baovao voaray am-bava hatrany no nahalalana fa nandro niaraka tamin’ny...