KAOMININA FOULPOINTE : Tokony hatao ho renivohitr`i Toamasina faharoa
Isan`ny kaominina iray lehibe indrindra amin`ireo kaominna miisa 18 mandrafitra ny distrika Toamasina II ny kaominina Mahavelona Foulpointe. Solombavambahoaka iray ihany no nisy teto hatrizay, nahatsapa ny mponina fa tsy dia tonga loatra ny hafatra tian`ny vahoaka hampitaina tao anatin`izay folo taona lasa satria tsy avy eto Foulpointe rahateo ny solombavambahokan`ny Toamasina II fa avy amin`ny Sub Urbaine ka nampizara roa ny tanana hoy Ranaivoson Sampy Elin ben`ny tanan`ny kaominina...