Kaominina Antetezambaro Toamasina II : Namboly zanakazo 2.500 fototra ny orinasa Hita
Nisafidy ny kaominina Antetezambaro Toamasina II ny orinasa Hita eto Toamasina suburbaine. Nosafidiana ny Tanana antsoina hoe Matera ao amin’ny fokontany Vohidrotra nanao izany ny sabotsy teo, satria orinasa mpandray andraikitra sy politika ny orinasa mihitsy ny resaka tontolo iainana. Zanakazo 2.500 fototra no novolena nandritra izany izay notarihan’Atoa Razafindrazana Handrisoa talen’ny orinasa. Zanakazo Kininina sy Mandrorofo no novolena nandritra izany, izay karazana zanakazo mora...