Kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy : Tsy manaiky anotofana ny tanimbary Ambaniatsinana ny fokonolona
Tanimbary antsoina hoe Ambaniatsinanana, izay an’ny tantsaha amin’ny fokontany Avarajoro, Ambatolampy Ary Ambodifasina, ao anatin’ny kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy no misy mikendry hanototra amin’izao fotoana izao. Tanimbary manodidina ny 100Ha mahery any ireo, izay fananan’ny tantsaha efa ho an-jatony taona maro, izao kasaina hototofana izao. Tsy manaiky izany ireo tantsaha avy amin’ireo fokontany telo tonta, miroaroa saina amin’izao toe-javatra izao. « Tanimbary tsy...