Hetsiky « fotsy » tetsy Andranomena : Noravain’ny Emmo « am-pilaminana »
Na dia teo aza ny didy navoakan’ny prefektioran’ny pôlisy ny alakamisy lasa teo, mahakasika ny tsy fahazoana manao hetsika famorian’olona an-dalambe, ankoatry ny fampielazankevitra nahazoana alalàna dia tsy nisy an-tery setra, nataon’ireo mpitandro filaminana avy eo anivon’ny Emmo, nentina nandravana ny « hetsika fotsy », tetsy Talatamaty, omaly. Azo lazaina fa « am-pilaminana » tanteraka no nanaovan’izy ireo izany, raha toa ka baomba mandatsa-dranomaso sy ramatahora, no...