Fenoarivo : Fifaninana nitondra kalesa namono olona
Tandrifin-drahoana ny fifaninana mitondra kalesa, nandritra iny fankalazan’ny fetin’ny fahaleovan-tena iny tetsy Alakamisy Fenoarivo. Zazalahy 16 taona no namoy ny ainy, raha voafaokan’ny fiara ny kalesa nentiny. Naratra mafy ity farany ary noezahina nentina novonjena tamin’ny tobim-pahasalamana, saingy indrisy fa tsy tana intsony ny ainy, noho ny ratra nahazo azy. Araka ny fantatra dia efa fanao isan-taona ity fifaninana mitondra kalesa ity eny an-toerana, ary tanterahana ao...