Faritra atsimo andrefana : Vonona hiatrika ny loza voajanahary
Volana vitsivitsy alohan’ny hiatrehana ny loza voajanahary mpiseho sy miverimberina isan-taona aty amin’ny faritra atsimo andrefana (rivo-doza, tondra-drano sns sns..) dia nisy ny atrikasa nandritra ny telo andro tao amin’ny hotely iray tao Madiorano, hoentina miatrika an’izany loza izany. Ny BNRGC no tompon’antoka tamin’ity atrikasa nandraisan’ireo mpiantsehatra rehetra voakasik’izany sehatr’asa izany anjara. Tamin’izany no nandrafetana ny drafitra hoentina miatrika ny...