Faran’ny taona sy taom-baovao teto an-drenivohitra : 37 ireo voasambotra, sivy ny tranga lozam-pifamoivoizana
Azo antoka! Maro tamin’ireo faritra teto an-drenivohitra no niaina ny « reveillon » sy nitsena ny taona vaovao tao anaty haizina, saingy na izany aza, azo lazaina fa nilamina, dia tsy nitebiteby loatra ny rehetra, noho ny fisian’ireo mpitandro filaminana marobe nanao fisafoana tetsy sy teroa. Nandritra ireo roa andro fararanom-pety dia fantatra fa pôlisy manodidina ny 1985 isa no naparitaka teto an-drenivohitra, ho amin’ny fitandroana ny fandriampahalemana fotsiny sy mba...