Fampirafesana nampiditra am-ponja : Ny rahavavin-dramatoa ihany no niarahan-drangahy
Tsy tahotra tsy henatra ! Nilaozany ny vady andefimandriny sy ny zanany ka lasa izy nanorina tokatrano hafa, tsy lavitra teo ihany. Nitory ny tompon-bady. Nahazo rariny. Araka ny lalàna mifehy ny fanambadiana tokoa dia azo atao tsara tokoa ny mitory ny iray tamin’ireo mpivady, izay tra-tehaka mampirafy sy minia manitsakitsaka izany fanambadiana izany. Toy ity tranga noraisin’ny zana-tobim-paritry ny zandary tao Antanamanjaka, tany amin’ny faritra Vakinankaratra ity. Araka ny...