Famoanoana zaza tetsy Ambohimalaza : Fialonana ilay zana-bady no antony voalohany
Nilaza ho tsy ampy fitiavana tamin-dramatoa vadiny ilay lehilahy satria lasa any amin’ilay zaza avokoa izany. Noreseny lahatra ilay vehivavy ny mba hanomezana olona ny zaza mba hitohizan’ny fifanambadiana ao an-trano. Dia nanaiky tokoa ary nentin-drangahy niala tao amin’ilay fonenana mba homena olona mipetraka eny Sabotsy-Namehana. Tsy izay anefa no nitranga satria nentiny teny Ambohimalaza ary notsatohany hety teo amin’ny tendany ny zaza. Hatreto, tsy nisy velively ilay olona izay...