Fambolen-kazon’ny Foloalindahy : Zana-kazo 10.000 fototra voavoly omaly
Nosokafana omaly tetsy Tampoketsa, Ankazobe, ny fotoampahambolen-kazo 2024, ho an’ny teo anivon’ny Foloalindahy malagasy. « Foloalindahy mamboly hazo : mandray anjara amin’ny famerenana ny tontolo maitso amin’ny Firenena », izay no lohahevitra nentina nanantosa ity adidy masina ity ho an’ny Tanindrazana ity, izay nataon’ireo miaramila, notarihin’ny Minisitry ny Foloalindahy, Atoa Jeneraly Sahivelo Monja Lala Delphin. Tonga nanotrona sy nanome voninahitra izany ihany koa ny...