Brieville –Tsaratanàna : Ankizy mpianatra telo avy any ambanivohitra no lasan’ireo jiolahy an-keriny
Na dia efa manao ny ainy tsy ho zavatra aza ny mpitandro ny filaminana any amin’ny tapany atsimo amin’ny disitrikan’i Tsaratanàna iny, dia lasa very maina ny paikady napetraka hisorohana ny trangana « kidnapping, » izay mahazo vahana any amin’iny faritra iny an-kehitriny. Miaina ao anatin’ny tebiteby ny mponina any an-toerana, satria vao mitsidika ny volana janoary taona 2025 dia efa fanafihan-dahalo mitam-piadiana miaro fakana an-keriny no re etsy sy eroa. Raha ny...