Bongatsara : Nitsoaka ny jiolahy mitam-basy rehefa nanohitra ny olona
Zatra ny lalan-dririnina loatra ka nieritreritra fa rehefa misy basy dia tsy maintsy vita hatrany ny fanafihana. Valo lahy no tonga tao amin’ny tokantrano iray tao ambanivohitr’i Bongatsara ary nanafika. Nambanana basy ny tompon-trano ary noterena hanome ny vola rehetra izay misy. Lasa ny enina tapitrisa Ariary teo. Saingy mbola tsy nahafa-po azy valo lahy izany fa saika hotateriny hatramin’ny entana tao an-trano. Nisy manodidina nahatsikaritra anefa io fanafihana io ary na tao...