Barson Rakotomanga : Voaantso eny anivon’ny zandary eny Fiadanana
« Kamarady, mitohy hatrany ny antsojay atao amin’ny mpitarika sendika. Ankoatra ny filohan’ny SECES Antananarivo dia antsoina eny amin’ny Brigade Criminelle Fiadanana ihany koa ny Filohan’ny Randrana Sendikaly » araka ny hita tao anatin’ny ranty nalefan’Atoa Barson Rakotomanga tao amin’ny pejy Facebook-ny. « Tsy azo ekena ny fanitsakitsahana ny zo sy fahalalahana ara-tsendikaly. Fifanarahana iraisam-pirenena fototra an’i OIT faha-87 sy 98, ao koa ny lalam-panorenana...