Arivonimamo : Vaviantitra naolana sy novonoina, olona fito nadoboka am-ponja
Tsy nisy tsy nivarahontsana sy nihoron-koditra ireo nahita ity tranga niseho tao Ambohitrambo, distrikan’Arivonimamo ity. Vehivavy lehibe iray, tokony ho 66 taona no namoy ny ainy, vokatry ny fanolanana sy tsatoka antsy nihatra taminy nataon’ireo olon-dratsy ny herinandro lasa teo, rehefa nanafika ny tokantrano nisy azy ny olon-dratsy maromaro. Hatreto dia olona fito no voarohirohy sy efa nosamborina ary nadoboka am-ponja vonjimaika. Anisan’izany ny tovolahy iray mpiandry ny...