ANTSIRABE : Fankalazana ny 8 Martsa 2025, nahazo fanampiana ireo vehivavy voafonja
Ny zoma 7 Martsa no efa nanomboka tamin’ny fanamarihana ny adro maneran-tany ho fanajana ny zon’ny vehivavy ny teto Antsirabe, nisy ny diabe nataon’ireo andiana vehivavy avy amina fikambanana maro, orinasa samihafa sy mpiasam-panjakana, mpianatra namakivaky ny tanana, narahina fizaham-pahasalamna, fitiliana maimaim-poana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza sy nono izany. Ankoatra izay, nisy ihany koa ny fihofanana mahakasika ny zon’ny vehivavy, ny ady amin’ny herisetra...