Antambao-Bevilany : Maty voatifitry ny Zandary i Todisoa dahalo raindahiny
Ny andron’ny faha 19 Marsa taona 2025 teo, tokony tamin’ny 08 ora mahery 35 minitra alina tany ho any no nahazo vaovao mari-pototra ny Zandary avy ao amin’ny Zana-tobim-paritra Bevilany, fa nisy dahalo mihaodihaody ao amin’ny fokontan’Antanambao, any amin’ny kaominina ambanivohitra Tsararano, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Rehefa nahare ny fampitam-baovao ny mpitandro ny filaminana dia avy hatrany nijery akaiky ny zava-nisy. Nandritra ny fikonokononana asa ratsiny no...