Ankorondrano Andrefana : Trano enina sy fiara roa, kila hotohoton’ny afo
Nitrangana hain-trano goavana tetsy amin’ny fokontany Ankorondrano Andrefana, ny alin’ny zoma hifoha sabotsy lasa teo. Araka ny tati-baovao navoakan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra dia trano hazo, mitafo fanitso miisa enina no levon’ny afo. Ankoatr’ireo dia mbola nisy fiara miisa roa nipetraka tsy lavitra ity firehetana ity ihany no may. Tao anatin’izany loza mahatsiravina izany anefa dia tsy nisy aina nafoy na ny naratra, raha ny vaovao azo hatrany. Tamin’ny roa...