Anjozorobe : Roa maty voatifitra, ankizy telo « otage »
Fanafihan-dahalo mahery vaika no nitranga tao amin’ny tanànan’Antsenakely ( Foroanarina), ao amin’ny kaominina Anjozorobe, ny alin’ny sabotsy hifoha alahady lasa teo. Havizanana, tahotra, alahelo… ireo no tazana tamin’ny endrik’ireto mponina avy niaina horohoro tamin’io alina saika tsy nanam-pahataperana io. Nandriaka ny rà. « Tokony ho tamin’ny valo ora alina tany ho any no naheno poabasy voalohany izahay. Ary feom-basy marovava nony avy eo, niampy varavarana potika sy...