Anjeva : Ramatoa novonoina tao an-tranony
Feno tsatok’antsy ny vatan’ilay ramatoa. Nipariaka eran’ny trano ny rà. Toe-javatra mampalahelo toy izany no hita tao amin’ny tokantrano iray tao Anjeva, afakomaly antoandro. Nisy vola very tao amin’io toerana io saingy mbola tsy voafaritra. Azo heverina arak’izany fa fanafihana no nitranga. Nisy tsatok’antsy marobe teo amin’ny lamosin’ilay ramatoa ary torak’izany koa teo amin’ny tendany. Izany hoe novonoina ho faty mihitsy izy ary tao an-tranony ihany. Nidina ifotony ny...