Anjeva : Nahafaty ramatoa, nidoboka eny Tsiafahy
Herinandro taty aoriana, voasambotra ary nidoboka eny amin’ny fonjan’ny Tsiafahy ny lehilahy iray izay voarohirohy ho nahavita heloka bevava tao Anjeva-Gara. Raha hiverenana fohy dia nisy niditra tao an-tranon’ny ramatoa iray efa lehibe, 56 taona. Notsatohana tamin’ny antsy ny vatany ary nitarika ny fahafatesany. Dian’antsy enina no voamariky ny mpanao famotorana ary teo amin’ny lamosiny sy ny tendany no tena nahafaty azy. Raha araka ny fanazavan’ny zandary dia nisy vavolombelona...