Androy : Miha-mahazo vahana ny fanapahan-doha
Atao inona sa inona loatra ny antony ? Na ireo tompon’andraikitry ny filaminana any an-toerana aza dia mbola mametra-panontaniana mahakasika ity tranga iray iray mitady hahazo vahana any amin’iny tapany atsimon’i Madagasikara iny. Tranga roa mantsy izay no nisy tamin’ity taona ity tany amin’iny tapany atsimon’ny nosy iny. Ny farany, dia izay nitranga ny alahady lasa teo, tao Andranonagnome, kaominina Marovato, distrikan’i Tsihombe, faritra Androy. Vehivavy voalaza fa marary...