Andohatapenaka : Voasambotra ireo jiolahy mpandroba fiara sy mpanao herisetra
Roa aloha izay no voatazona, heverina fa mbola hanaraka ny ambiny … Ny voalohandohan’ny volana teo no voasambotry ny pôlisy avy etsy anivon’ny kaomisarian’ny boriborintany fahafito, ny sasany amin’ireo tontakely, izay isan’ny nampitondra faisana olona maro teny amin’iny lalan’Andohatapenaka sy ny manodidina iny. Natolotra ny Fampanovana ny faran’ny herinandro teo ary nadoboka eny Antanimora avy hatrany, miandry ny fotoam-pitsaràna azy. Raha ny fitarainana tokoa dia efa...