Ambohitrarahaba : Mpiasa tratra alina, voaendaka sy voadaroka
Ilay bandikely tsy ampy taona, anisan’ireo mpanendaka. Soa fa tonga haingana ireo pôlisy raha vao nahazo fampandrenesana, raha tsy izany dia mety ho efa ho zava-doza no niseho. Lehilahy iray, handeha hamonjy fodiana no sendra ny tontakely teny amin’iny faritra Ambohitrarahaba iny, teo akaikin’ny toeram-pianarana « pont d’or », ny alin’ny talata lasa teo, tokony ho tamin’ny iraika ambin’ny folo ora tany ho any. Nohodidinin’ny andian’olona maromaro avy hatrany ity...