Ambavahaditokana Itaosy : Nifampitifitra ny zandary sy ny jiolahy
Alatsinainy amin’ny 11 ora alina. Nitatata, nanaitra mafy ireo mponina efa samy rendrika tao anaty torimasony, ny poa-basy maromaro nifanaovan’ireo zandary mpanao fisafoana avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambavahaditokana sy ireo olon-dratsy, nihaodihaody teny an-toerana. Ankevitry ny efa mikendry sy hikasa hanao fanafihana tokatrano teny amin’iny faritra Valomanga iny. Raha ny fampitam-baovaon’ny zandary tokoa mantsy dia nisy niantso izy ireo mahakasika ireto roalahy hafahafa...