Ambatondrazaka : Raikely nanolana ny zana-badiny
Efa imbetsaka ihany no nanampatra ny filan-dratsiny tamin’ity zazavavy ity ilay raikeliny, raha ny fampitam-baovaon’ny pôlisy saingy tsy nety nahazo rariny tamin’ny reniny raha mba nitarainy tany. Izy indray aza no nahazo fandrahonana, raha ny vaovao hatrany. Ny alarobia lasa teo no voasambotry ny pôlisy avy ao amin’ny Fitaleavam-paritra misahana ny filaminam-bahoaka, sampana misahana ny zaza tsy ampy, tao Ambatondrazaka ny lehilahy iray. Voarohirohy tamin’ny resaka fanolanana...