Ambatolampy Tsimahafotsy : Lalan-dratsy nahafaty olona
Fiara mpitondra entana iray no nisolifatra noho ny lalan-dratsy tamin’ilay lalana mampitohy an’i Merimandroso sy Ambatomapy Tsimahafotsy iny, ny andron’ny zoma lasa teo. Vokany, ankizy kely iray, nandeha teny amin’ny sisin-dalana no voafaoka ary namoy ny ainy. Tokony ho tamin’ny roa ora sy sasany tolakandro teo no nitranga ity loza ity, raha ny angom-baovao voaray. Fiara mpitatitra entana, irony « fourgon » irony, izay mpitatitra entana ilain’ireo mponina any an-toerana. Avy...