Ambatofotsy-Maevatanàna : Tovolahy voatsatoka vakin-dabiera teo amin’ny tendany
Efa tsy fantatra intsony ny hetraketraka hataon’ny tanora an-kehitriny, hany ka lasa mahazo tsiny amin’ireo ray aman-dreny niteraka amin’ny teny hoe tsy mananatra zanaka, vokatry ny hadalana ataon’izy ireo. Raha ny vaovao mari-mpototra voaray hatrany dia nahitana lanonana famadian-drazana ny tao amin’ny fokontan’Ambatofotsy, kaominina Maevatanàna ambonivohitra ny alin’ny talata lasa teo iny. Avy teny am-pamongarana ireo taolambalo hampiakarina ao amin’ny tanàna voalaza etsy...