Ambatofahavalo : Nandihizan’ny tontakely ny tranon’ireo mpiangona
Nanararaotra tanteraka ny tsy nahateo ny ankabeazan’ireo mponina ireto tontakely ka nanao izay danin’ny kibony tanteraka. Tokatrano maromaro tao amin’ny tananan’Ambohibao, no nasesisin’ny jiolahy novakiana tao amin’ny fokontany Ambohimiadakely, kaominina Ambatofahavalo, ny alahady lasa teo. Araka ny fampitam-baovao azo dia saika lasa nandeha niangona avokoa ireo mponina. Tokatrano telo araka izany no fantatra fa nataon’ireo tontakely lasibatra ka nahazoan’izy ireo entana...