Ambatobe : Mpitondra môtô maty voafaokan’ny fiara 4X4
Nandriakà indray ny rà tetsy Ambatobe. Raim-pianakaviana, 50 taona eo ho eo no maty tsy tra-drano rehefa voafaokan’ny fiara tsy mataho-dalana iray, ny môtô nentiny. Ny sabotsy hariva, tokony ho tamin’ny dimy ora latsaka folo teo no nitranga ny loza, raha ny fanazavana nomen’ny pôlisy, teo amin’iny lalana mihazo an’Ambatobe iny, raha avy eo Nanisàna, tsy lavitra ny sampanana « Voly ». Raha ny fanazavana azo avy amin’ireo pôlisim-pirenena hatrany, nitranga ny loza, raha...