Ambato Boeny : infirmiera tsy mety miala amin’ny tranon’olona
Na dia efa nisy taratasy nifanaovana aza ny amin’ny ialan’ilay infirmiera amin’ny tranon’olona nipetrahany sy nampiasainy, mialohan’ny taona 2024 dia mbola mitoetra tsy mety miala eo izy atramin’izao. Any amin’ny fokontany Mangaroa, kaominina ambanivohitra Ankijabe, distrikan’Ambato Boeny no misy ity olana ity. Lova ity tanàna ity ary lasan’ireo tompony fa misy taratasy ara-dalana ankoatra io taratasy nifanaovana io. Toy izany koa ny hoe ampiasaina ho hopitaly kanefa efa...