Alasora : Tontakely avy nigadra, niverina namaky trano
Voalaza hatrany fa toeram-panarenana ny fonja. Raha ity tovolahy voasambotry ny zandary avy etsy amin’ny tobim-paritra Alasora ity aloha dia mety efa tsy voaarina intsony. Efa indroa nigadra ranamana ary hiditra fanintelony indray izao, rehefa voarohirohy tamin’ny resaka vaky trano indroa miantoana be izao, tetsy Alasora sy Ankadindratombo. Araka ny fampitam-baovao azo tokoa mantsy, ny andron’ny talata lasa teo dia nisy nampandre ny zandary fa misy tontakely eo am-panaovana ny asa...