Tsy ho kandidà ka milingilingy
Lahatsoratra efa tamin’ny 5 mey 1998 ity no indro mitampody indray dimiambiroapolo taona aty aoriana. Sady faly aho (satria tsy diso ny fijery) no malahelo (noho ny toe-javatra mainka niharatsy). Ny lalana nizorantsika, tao anatin’izay dimiambiroapolo taona farany izay, dia miendrika famonoan-tena amin’ny lafiny maro loatra. Hany ka mahavaky vava ireo mpandinika vahiny manoratra ny hoe «l’énigme et le paradoxe». Ndeha ho adikako hoe «Ankamantatry ny miantsoro mianotra». Efa...